Bosch CT Motors: Misokatra ny magazay ao Toamasina

Magazay fahatelo ao Toa­masina, aorian’ireo roa eto an-dRenivohitra, no entin’ny CT Motors Madagascar, solon­tena ofisialy Bosch amin’izao fankalazany ny fahatelo taonany izao. Manao tolotra isan-karazany ny Bosch CT Motors amin’ny fikirakirana sy fikojakojana fiara isan-karazany. Izy izay miavaka amin’ny fahaiza-manao amin’ny fikirakirana ireo teknolojia alemaina. Mi­tondra vahaolana mifanaraka amin’ny filan’ny mpamily samihafa ny fomba fiasa ataony noho izy manana tolotra ara-kalitao sy fitaovana moderina ary teknisianina voaofana amin’ny fenitra apetraky ny Bosch. Tolotra isan-karazany manomboka amin’ny « diagnostic électronique » hatrany amin’ny fikojakojana meka­nika sy elektrika no hita ao amin’ilay magazay ao Toa­masina. Matihanina tanteraka ny fomba fiasa, mahazo tombony amin’ny fanaraha-maso mialoha sy ny fanamboarana haingana ny fiarany ireo mpamily. Misy any an-toerana avokoa ireo piesy Bosch ilaina. « Dingana lehibe amin’ny fanitarana ny tambajotra ny fisokafan’ny magazay ao Toama­sina. Fanirianay hatrany ny hanakaiky ny Malagasy sy hanome tolotra tsara sy azo antoka tanteraka ho an’ny rehetra », hoy ny tomponandraikitry ny CT Motors, Rza­findrakoto Patrick.

Henintsoa H.

Partager sur: