Hiverina an-dakilasy ny alatsinainy ho avy izao, hanohy ny taom-pianarana anatin’ny roa volana fahatelo, ny mpianatra amin’ny ambaratonga telo eto Madagasikara. Hifarana ny 24 febroary izany izay ialohavan’ny Andron’ny sekoly, ny 22 ka hatramin’ny 24 febroary. Mitsahatra ny fampianarana ny 25 febroary ka hatramin’ny 5 marsa. Miatrika ny roa volana fahefatra indray ny 6 marsa ka hatramin’ny 7 avrily ho avy izao. “Ny roa volana fahatelo sy fahefatra no tena herin’ny fampianarana satria eo no hizarana ny lesona sy hanaovana fizarana betsaka. Famerenana sy famenoana ny banga sisa ny volana fahadimy ambiny indrindra ho an’ny kilasy hiatrika fanadinam-panjakana”, hoy ny mpampianatra.
Momba ny fisoratana anarana amin’ireo fanadinam-panjakana roa. Hanomboka ny 23 janoary izao ny fandraisana ny antontan-taratasy fisoratana anarana ary hifarana ny 30 marsa ho an’ny CEPE. Hosantarina ny 30 janoary kosa ary hikatona ny 31marsa ho an’ny BEPC. Tokony ho efa miomana amin’ny antontan-taratasy samihafa ilaina ny mpiadina tsirairay arakaraka ny fanadinam-panjakana hatrehiny.
Vonjy