Fijery Hafa-Sava: Nahatratra 6 255 ireo naniry hiofana

Ny faritra Sava no namaranana ny hetsika “Fijery Hafa” ho amin’ity taona ity. Mahatratra hatrany amin’ny 6 255 ireo tanora tonga nisoratra anarana ho amin’ny fampiofanana maimaimpoana. Tonga nanokatra ny hetsika tao amin’ny Jardin de la région Sava, Sambava Centre, ny herinadro lasa teo, ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, Rasoloarisoa Marie Marcelline. Tanjon’ny minisitera ny mamantatra ny filan’ireo tanora eo amin’ny fampiofanana tiany harahina hanampiana azy ireo hamorona asa avy hatrany sy hanitatra ny fahaiza-manaony. Liana sy mangetaheta fiofanana ny tanora ao Sambava raha ny antontanisa no jerena. 11 ny lalam-piofanana nosafidian’izy ireo harahina ary nahasarika ny nahandro sy ny fanaovana mofo mamy, satria nahitana mpisoratra anarana 1 208.
Nisy koa ny fidinana ifotony notanterahin’ny minisitra nijerena ireo ivontoeram-panofanana sy Lycée teknika sy ireo misehatra amin’ny fanofanana arakasa mandrafitra ny sampandraharaham-paritry ny minisitera ao Sambava. Natomboka tamin’ny LTP ny fitsidihana ary nitohy tamin’ny CFP sy ny CRFPPSH ao Soavinandriana Sambava. Nisy ihany koa ny dinidinika niarahana tamin’ireo mpiara-miasa sy mpandraharaha eo anivon’ny DRETFP.

Vonjy

Partager sur: