Nanao fitsidihana fifanakalozan-kevitra sy arakasa tany Kenya, ny herinandro lasa teo, ny delegasiona malagasy notarihan’ny solontenan’ny minisiteran’ny Asa sy ny fampananasa ary ny asam-panjakana sy ny OIT. Ao anatin’ny fiaraha-miasa telozoro eo amin’i Madagasikara sy Kenya ary Frantsa izany. Nahafahana nanamafy ny fifandraisana eo amin’ny firenena telo tonta sy hifampizarana fahalalana hiatrehana ireo fanamby.
Misy ny fahafahana miatrika ireo fanamby ireo, indrindra eo amin’ny sehatry ny fambolena, ho an’i Madagasikara sy Kenya. Tanjon’ny hetsika karakarain’ ny OIT ny hamoronana asa mendrika, hampiroboroboana ny orinasa amin’ny sehatry ny fambolena maharitra ary ny fandraisana andraikitra amin’ ny fanomezana tombony ny fandraharahana. Eo koa ny fifampizarana fahalalana sy ny fampivoarana ny fahaiza-manaon’ny orinasa madinika sy salantsalany. Manampy ireo ny fijerena manokana ny kaoperativa momba ny fambolena.
Hiantohana ny fidirana amin’ny tsena iraisam-pirenena, indrindra ny an’ny Vondrona eoropeana, ilaina ny manaja ny fenitra ara-teknika mahakasika ny tontolo iainana ary ny sehatra iraisam-pirenena momba ny asa.
Andrasana ny fiantraikan’ ny fiaraha-miasa eo amin’ny kaoperativa amin’ny fambo-lena sy ny orinasa madinika ary ny tanora, izay monina any ambanivohitra ny ankamaroany.
Vonjy