INDRAY MIJERY

Nankasitraka ny BNGRC sy ny tetikasa Mionjo tamin’ny fanomezana fitaovana ahafahany manatante­raka ny asa tandrify azy ny mponina avy amin’ny kaominina Faux Cap, distrika Tsihombe, faritra Androy, taorian’ ny fanamafisana fahaiza-manao sy fanomezana fampitaovana sy kojakoja. Ahafahan’ireo mpiantsehatra eny ifotony mihetsika avy hatrany ny fitaovana fa tsy mifampiandry manoloana ny fisian’ny tandindon-doza sy ny loza mety hitranga eo amin’ny andavanandrom-piainan’ izy ireo sy ny fiarahamonina misy azy.
Efa hita taratra tsikelikely ny fisian’ny oram-baratra amin’ny faritra sasany manerana ny Nosy ary
hiitatra amin’ny afovoantany izany manomboka rahampitso, hoy ny sampana mpamantatra ny toetry ny andro.
Fotoana fizarana fitiavana ny Krismasy. Omaly, betsaka ireo orinasa nizara fehezan-karona ho an’ny mpiara-miasa ao aminy. Tsikaritra samy nilanja izany ny maro teny an-dalana. Tsy maha fatiantoka ny mizara amin’ny ampahany ho an’ireo mpiray vodirindrina tena hita fa sahirana. Omena amin’ny fo.
Hatry ny omaly, mbola tomefy olona ireo magazay mpivarotra kilalao. Filaharam-be ary nanaovana fandaminana manokana mihitsy ny fidirana noho ny hamaroan’ny olona. Midika izany fa miezaka mampifaly ny ankizy ny ray aman-dreny amin’izao ankatoky ny fety izao. Fa hisy koa anefa ireo ankizy hangasihasy tsy mba hahazo kilalao.

Partager sur: