Halatr’omby : dahalo matin’ny fokonolona

Tratran’ny fokonolona ny dahalo iray nikasa hangalatr’omby tao amin’ny fokontany Fierena, kaominina Antam­bohobe, ny alin’ny voalohan’ ny taona teo. Teo am-pamoahana omby miisa enina ana tokantrano iray ity jiolahy ity no hitan’ny fokonolona ka raikitra ny fifanenjehana. Nanohitra sy niezaka ny handositra ity dahalo ka voatery namono azy ny fokonolona, araka ny fantatra. Naharay antso an-taroby mikasika ny tranga avy amin’ny sefo fokontany tany an-toerana ny zandary ao Antambohobe ka tonga teny an-toerana niaraka tamin’ny mpitsabo nijery ny zava-misy. Natao ny fizahana ny razana, fantatra fa maty noho ny vono teo amin’ny lohany sy ny vatany i Leka, 20 taona. Efa dahalo mpampihorohoro ny mponina ao amin’ ny distrikan’Ivohibe izy talohan’ity nahafaty azy ity, raha ny tatitra voaray. Isan’ny jiolahy karohin’ny zandary ao an-toerana noho ireo asa ratsy efa fanaony.Tsiahivina fa nangalatra omby miisa enina tamina tokantrano iray tany an-toerana izy, ny 28 desambra teo. Tsy azony tamin’io ny omby ka izao niverenany izao indray. Marihina fa efa nigadra ny naman’ity jiolahy ity tamin’ny fanafihana farany, ny 2 Novambra lasa teo, isan’ireo izy. Milamina amin’ ny ankapobeny ny fandriampahalemana any an-toerana hoy ny zandary. Efa nalain’ny fianakaviana ny razana taori­an’ny fizahanan’ny mpitsabo sy ny manam-pahefana.

Mino ( Mpianatra asa)

Partager sur: