Fitsarana mitety vohitra : mangataka fampitaovana sy vola ny SMM

Miroso hatrany ny fitsarana mitety vohitra. Misedra olana eo am-panatanterahana izany anefa ireo mpitsara, amin’izao fotoana izao.

Tsy afaka ny hangina. “Aleo mba jerena akaiky ilay izy, satria misy ny mpitsara sahirana ihany amin’ny fandehanana amin’ ireny toerana mitoka-monina ireny. Efa niteny hatrany izahay hoe tsy sakana”, hoy ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny Sendikan’ny mpitsara eto Madagasikara (SMM), An­dri­antsihorisoa Mbitanarivo, momba ny hetsika fanaovana fitsarana mitety vohitra amoahana didy misolo sora-piankohonana ao anatin’izao fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy izao.

Eo amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana sy ny firenena, eo hatrany ny enti-manana telo: amin’ny lafiny olona, fitaovana, vola. Efa eo ny lafiny olona. Fa eo amin’ ny fitaovana sy ny vola, tsara raha mba misy fitodihana sy fijerena manokana ihany koa eny an-dalana amin’ny fanatanterahana izay fitsarana mitety vohitra amin’ny fanomezana sora-piankohonana sy karapanondrom-pirenena izay, mba hahatsara ny fanatanterahana izany.
Teny efa nifanomezana
Efa mandeha amin’izao ny fitsarana mitety vohitra. Nefa efa nisy teny nifanomezana tamin’ny fanombohana izany, indrindra ny amin’ny fandraisana andraikitra sy ny fiantohana ny amin’ireo mpitsara. Ny mpitsara no teneniny satria amin’ny maha filohan’ny SMM azy, tsy afa-miditra amin’ireo rafitra na sehatra hafa mameno ny asan’ny mpanao fitsarana mitety vohitra amin’ny fanomezana kopia izy.

R. Nd.

Partager sur: