Angovo azo havaozina : sady nohasarotina no mavesatra ny dingana arahina

Milaza ny filoham-pirenena fa hampirisihina ny mpandraharaha eto an-toerana hisehatra amin’ny famokarana na fandraharahana amin’ny sehatry ny angovo azo havaozina. Toa mifanipaka amin’ izany anefa ny didy navoakan’ny minisiteran’ny Angovo, manasarotra ny dingana arahina.

Namoaka didim-panjakana (lah. 26766/2022) ny minisiteran’ny An­govo sy ny akoranafo, ny 10 oktobra 2022, mikasika ny famokarana herinaratra. Voa­laza fa tsy maintsy manao fangatahana amin’ny minisitera MEH, mifanaraka amin’ny fenitra napetrany, araka ny lalàna manan-kery, mialoha ny hametrahana ireo fotodrafitrasa,.

Voakasik’izany ny fametrahana fotodrafitrasa sy kojakoja ho an’ny famokarana herinaratra avy amin’ny ma­soandro, latsaky ny 10 KW. Misy ny taratasy fenoin’ny mpampiasa, ny mpanjifa, maniry hanana io karazana angovo io, lazaina fa notsorina. Tsy maintsy manao izany koa ny mpaninjara mivarotra ny karazan’ity fitaovana avy amin’ny masoandro ity, ka misy ny taratasy fenoin’ny mpanjifany.

Mila mameno taratasy toy izany koa ny orinasa mamokatra angovo avy amin’ny masoandro sy ireo manao ny fametrahana azy ho an’ny mpanjifa, eo anelanelan’ny 10 hatramin’ny 150 KW, ny ma­nana foibe mamokatra herinaratra avy amin’ny rivotra mitovy na latsaky ny 250 KW. Toraka izany koa ny mamokatra herinaratra avy amin’ny tohodrano, mitovy na latsaky ny 500 KW, na koa angovo avy amin’ny ranomasina, zavamaniry, fako, «géometri­que», solika, sns.

Tsy mampirisika ny mpandraharaha

Rehefa tena zohina ity didy navoakan’ny MEH ity, tsikaritra fa vao maika nohasarotina sady mavesatra ny dingana arahina, fa tsy araka izany notsorina izany. Ary hiteraka fahasorenana ho an’ ny mpandraharaha misehatra amin’ny famatsiana sy ny famokarana herinaratra mihi­tsy aza. Na koa, ho an’ny mpandraraharaha ankapobeny, ao anatin’izao fahasahiranan’ny Jirama, izay tsy mahavita mamatsy herinaratra ny mpanjifa sy ny mponina manerana ny Nosy izao. Nefa iaraha-mahalala fa tsy mitsahatra misondrotra sady mi­dangana izaitsizy ny faktiora ho an’ny orinasa, amin’izao fampiakarana ny vidin-jiro amin’izao fotoana izao.
Mampametraka fanontaniana ny tena tanjona namoahan’ny minisitera, MEH ity didy ity, izay tsy nampahafantariny ampahibemaso.

Mifan­draika an-dalana amin’izany, raha tena misy tokoa, ny finiavana hampiroboroboana ny tontolon’ny angovo azo ha­vaozina, sy hampirisihina ny mpandraharaha sy ny rehetra hisehatra aminy, izay toa mi­fanipaka amin’izany ity fanapahan-kevitry ny MEH ity.

Njaka A.

Partager sur: