Nampiaka-peo ny holafitry ny paramed manoloana ny tsirambina ataon’ireo sekoly ambony sasantsasany mampianatra. Handraisana fepetra ary mety hiafara amin’ny fanakatonana ny sasany amin’izy ireo.
Nanao tombana ny herintaona nitantanany ny holafitry ny infirmiera eto Madagasikara na ny Conim ny filohany, Andrianarison John. Efa maro ny zavatra vita nefa mbola lavitra ny dia, hoy izy. Nanentana ny maro ny filohan’ny Conim mba handray ny andraikitra tandrify azy hahatrarana ny tanjona. Nentanina koa ireo any amin’ ny faritra mba hijery sy hanara-maso ireo mpisandoka sy ireo sekoly ambony tsy miankina amin’ny fanjakana mampianatra paramed tsy araka ny tokony ho izy. Satria, manapotika ny asan’ireo matihanina izany.
Mafimafy ny ady farany teo, tao amin’ny CRFM ary ho tohizana izany ka mitaky fahasahiana mijoro.
Nanamarika ny filohan’ny holafitry ny paramed fa sekoly ambony miahy tena maromaro izay no tsy manara-dalàna. Tsy maintsy handraisana fepetra ary hanaovana tatitra amin’ny tomponandraikitra izy ireo. Tsy ekena raha tsy mikatona ireo noho ny tsy fanaraha-dalàna ataony.
Mari-pahaizana bakalorea miampy 3 taona nianarana no mivoka amin’izany sekoly izany. Kanefa, mpampianatra tsy manana afa-tsy diplaoma bakalorea no mpampianatra ao. Tsy azo ekena velively ny fanibazimbana ny fianarana toy izany satria miankina aman’aina ny asa hosahanin’izy ireo rehefa vita ny fianarany.
Maro ny zavatra tsy maintsy hiova mahakasika ny fiofanana paramed amin’ny sekoly tsy miankina io. Tsy ekena ny hetraketraky ny tompona sekoly sasany izay manao tsinontsinona ny fisian’ny holafitry ny infirmiera.
Tsy misy olona tokony ho masi-mandidy amin’ny asan’ ny paramed, ka mila mijoro sy vonona mba hamerenana ny hasiny.
Tatiana A