Namoaka fanambarana
ny Banky Iraisam-pirenena (BM), fa nahery vaika ny fahantrana tamin’ny taona 2022 teo . Nanomboka tamin’ny nisian’ny valan’aretina Covid-19 , very momoka ny ezaka sy ny paikady samihafa niadiana tamin’ny fahantrana tato anatin’ny am-polon-taona mahery. Tsy mifandanja ny fanarenana ny toekarena sy sosialy, taorian’ny Covid eo amin’ny firenena mandroso sy ny mahantra.
Ho an’ny Banky Iraisam-pirenena, tombanana hahatratra 685 tapitrisa ny isan’ny olona tena miaina anaty fahantrana lalina tamin’ny faran’ny taona 2022 teo. Hita fa fotoana tena ratsy indrindra iny taona iny, amin’ny lafiny fampihenana ny fahantrana.
Ny 7%-n’ny mponina raha tokony ho ny 3%
Ho an’ny Banky Iraisam- pirenena, maromaro ny antony nahatonga izao fitombon’ ny fahantrana izao sy tsy nahafahana nanarina ny toekarena sy sosialy izao. Eo ny fiantraikan’ny krizy Covid-19, ny fidangan’ny vidin-tsakafo, ny angovo vokatry ny fiovan’ny toetr’andro ary ny ady, toy ny any Ukraine.
Araka ny vinavina ho an’ny ho avy, mihevitra ny BM fa ho manodidina ny 574 tapitrisa ny mponina mbola hiaina ao anaty fahantrana lalina amin’ny taona 2030. Izany hoe, 7% ny olona maneran-tany, raha toa ka ny 3% ny tanjona napetraka tany am-boalohany.
Eto Madagasikara, manodidina ny 2 tapitrisa ny malagasy miaina anaty tsy ampy sakafo, raha ny tatitra navoakan’ny Fandaharanasan’ny firenena mikambana momba ny sakafo (Pam). Arakan y Banky iraisam-pirenena, miaina anaty fahantrana ny 81% ny malagasy.
Njaka A.