Miezaka mivelatra amin’ny sehatra ambony kokoa ny Malagasy. Tazana anatin’ny lisitra hofidiana ho lasa komity mpanatanteraka eo anivon’ny Caf, Randriamanampisoa Alfred, filohan’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF).
Araka ny fikarohana natao omaly, namoaka ny vaovao mahakasika ny lisitr’ireo kandidà maniry ny hiditra anaty komity mpanatanteraka ny kaonfederasiona Afrikanina baolina kitra (Caf), ny pejy iray mpizara vaovao tany Côte d’Ivoire “Stadivoire” sy ny tao Guinée “investigatorguinée”. Tazana tao anatin’izany ny anaran’ilay Malagasy mitantana ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), Randriamanampisoa Alfred. Ao amin’ny fikambanan’ny baolina kitra aty amin’ny faritra atsimon’i Afrika (Cosafa) moa ny tenany no niditra, ary miisa dimy eo ry zareo no hihazakazaka ho amin’izany. Ankoatra azy, eo koa ilay seyseloa, i Elvis Raja Chetty sy ilay maorisianina i Sobha Mohamad Ally Samir sy ilay teratany Botsoane, i Mac Lean C. Letshwiti ary i Feizal Ismael Sidat avy atsy Mozambique. Fanamby goavana ho an-dRandriamanampisoa Alfred, araka izany, ity fifidianana ity. Miaraka misalahy amin’ny Caf moa ny tenany, amin’ny fampiakarana ny lentan’ny baolina kitra aty Afrika, indrindra ireo firenena avy aty amin’ny tapany atsimon’i Afrika sy ny eto amin’ny ranomasimbe Indianina. Tsara marihina fa izy no angady nananana sy vy nahitana ny fifanintsanana Fifa Ocean Indian Tournament, notontosaina teto Madagasikara, ny 16 ka hatramin’ny 22 desambra lasa teo.
Fitia Randria
Tsara ny mampahafantatra fa ny volana marsa 2025, any Le Caire renivohitr’i Egypte, no hanatanterahina ny fivoriambe ara-potoanan’ny fifidianana ho an’ny Caf sy hanatontosana ny fifidianana. Anisan’ireo mbola kandida hofidiana izay ho filohan’ny Caf ny filoha am-perinasa, i Patrice Motsepe. Marihina fa efa nifarana ny volana novambra teo ny fametrahana ny atontan-taratasy rehetra ho an’ireo izay maniry ny ho kandidà. Tsiahivina fa ny taona 2017 efa nitantana ny Caf i Ahmad Ahmad, Malagasy voalohany nitondra izany.