Nifarana ny alahady 22 desambra lasa teo, tetsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka ny fifanintsanana hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby “XXL Top 12”. Taorian’ny fahavitan’ny andro faha-11 farany, mivarina any amin’ny D2 amin’ny taom-pilalaovana 2025, ny UASC Cheminots (Besetroka) sy ny FTBA Andohatapenaka. Samy manana isa 17 ny Cheminots sy ny USA Ankadifotsy saingy manantombo teo amin’ny “goal average” ry zareo tapany maitso izay eo amin’ny laharana faha-10 raha faha-11 ny Besetroka. Faha-12 farany ny FTBA tsy nahazo afa-tsy isa 3.
Efa fantatra daholo kosa ireo hanao ny lalao sakana dia ny TFMA (Boaikely manohitra) fahatelo. Ny TFA Anatihazo, fahefatra. Ny Uscar, fahadimy, ary ny TAM Anosibe, fahenina. Any amin’ny volana febroary no hanaovana ny lalao raha tsy misy ny fiovana ka hifanandrina ny TFMA sy ny TAM ary ny TFA sy Uscar. Tafita amin’ny manasa-dalana izay roa tafavoaka eo. Efa miandry amin’izany dingana izany kosa ny Cosfa (Bebaoty) voalohany sy ny FTM Manjakaray, faharoa.
Tompondaka