OMH: mitombo hatrany ny fanjifana gazoala

Nanatombo ny fanjifana solika tamin’ny taona 2022 raha ampitahana tamin’ny 2021, araka ny antontanisa navoakan’ny OMH (Office Malgache des Hydrocar­bu­res). Ny tarehimarika navoaka, lany nandritra ny enim-bolana voalohany tamin’ny taon-dasa, nisy 609 995 m3 raha 513.612 m3 izany ta­min’io fotoana io ihany ny taona 2021. Amin’ny ankapobeny nitombo 18 % ny karazan-tsolika rehetra lany manerana ny Nosy nandritra ny enim-bolana voalohany tamin’ ny taon-dasa, araka ny navoakan’ny OMH.

Voalohany be mpanjifa indrindra tamin’io fotoana io, ny gazoala, maherin’ny antsasany nisy 312 963 m3 na 28,4%, midika fa mitombo hatrany eto an-toerana ny fanjifana gazoala na ho an’ireo fiarakodia madinika aza. Tsy mbola hita hatreto ny fiara­kodia mandeha herinaratra. Manaraka ny lasantsy, niakatra 86 339 m3 teo amin’ny 13,5 % ; ary ny solika fandrehitra na solitany nitombo 26 166 m3 na 48,4 %.

Ary teo ny tahiry napetraky ny OMH amin’izay mety fiakaran’ny tsenan’ny solika tamin’ny taon-dasa raha am­pitahana tamin’ny 2021. No­kajiana araka izany ny lafiny toekarena, indrindra ny harinkarena faobe tamin’ny taon-dasa nisy +5,4 %, noho ny fanokafana ny sisin-tany sy ny fepetra hafa ara-toekarena noraisina.

Marihina fa ny tarehimarika navoaka mbola tamin’ny fepetra napetraky ny fanjakana. Elanelana misy eo amin’ ny PRC (1) sy PAP (2).

Ndrina

PRC (1) :
Prix de Référence Calculé
PAP (2) :
Prix Affiché à la Pompe

Partager sur: