Krizy ara-toekarena : bokan-trosa ny firenena mahantra

Nilaza ny banky Iraisam-pirenena, fa miha ratsy hatrany ny krizy iainan’ny firenena andalam-pandrosoana, na­nom­boka ny taona 2022. Ni­tombo izay tsy izy ny trosan’ izy ireo tato anatin’ny 10 taona farany, izay voakasik’ izany ny 60% ny firenena tena mahantra, toa an’i Madagasi­kara.

Tsy ahafahan’ny firenena mahantra mampiasa vola mi­tondra fampandrosoana ny trosa miavosa mihatra aminy. Tsy afaka manarina ny toekarena, miatrika ny fahasalaman- bahoka, ny fiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro, ny fanabeazana, sns. Hita izany na­nomboka ny taona 2010, hatramin’ny niovan’ny tontolo trosa, satria miha maro sy mibaha-toerana ny fampindramam-bola avy amin’ny tsy miankina.

Araka ny tatitry ny Banky Iraisam-pirenena ny faran’ny taona 2021, avy amin’ny mpampindram-bola tsy miankina ny 61% ny trosan’ny firenena andalam-pandro­soana sy ny antonontonony. Manampy izany, tsy ao anatin’ireo firenena mahazatra, mivondrona anaty Club de Paris ny ankamaroan’ny fifanarahana samy firenena, toa an’i Sina, India, Arabia Sao­dita, Eirats Arabo Mitambatra, sns.

Njaka A.

Partager sur: