Nanenjika vorona : tovolahy iray natelin’ny rano tao Ambalamanasy

Tovolahy iray mpianatra ao amin’ny sekolin-dry Mase­ra ao Tanamakoa Toamasina no natelin’ny rano tao Amba­la­manasy, ny alatsinainy teo, rehefa nandeha nitifitra vorona. Raha ny fampitam-baovao voaray avy any an-toerana, na­nao fialan-tsasatra tao amin’ ny raibeny ao Ambalamanasy ity tovolahy ity ka nanenjika vorona teny rehetra teny. Nanidina moramora nanatona moron-drano ilay vorona. No­ti­firin’izy telo lahy. Voatifitra anefa ilay vorona ka nilatsaka teny ambony rano ao Amba­la­manasy. Tsy nisalasala ny tovolahy iray fa nanala akanjo ka nilomano naka izany kanjo nalentiky ny rano avy hatrany. Niantso vonjy tamin’ireo olon-dehibe teo an-tanàna ireo namany ka natao ny fikarohana. Ny alatsinainy tolakandro vao hita ny fatiny. Nandritra ny fikarohana ny razana no nitantaran’ireo olobe ny trangan-javatra toy izao fa ny vorona raha tifirina ka milatsaka an-drano dia miova ho lolo. Raha te haka ireny dia tsy mahazo milomano fa mandeha lakana ka alaina amin-javatra hafa izy fa tsy azo alaina amin’ny tanana mivantana, araka ny voalazan’ny Olobe, Bendrandriana Augustin, mpa­hay fomban-drazana.

Sajo/J.C

Partager sur: