Jiu-jitsu-2025: Feno ny fandaharam-potoana ho an’ny enim-bolana voalohany

Efa fantatra avokoa ny fandaharam-potoana ho an’ny taranja Jiu-jitsu breziliana, amin’ny taona 2025. Fifaninanana 5 lehibe no hotanterahina mandritra ny enim-bolana voalohany.

Miroso hatrany ny taranja Jiu-jitsu breziliana, eo amin’ny lafiny fifaninanana, na ny eto an-toerana izany, na ny any ivelany. Ho an’ny eto an-toerana, fifaninanana 5 lehibe sahady no efa fantatra fa hotanterahina ao anatin’ny enim-bolana voalohany, amin’iny taona 2025 iny, araka ny fampitam-baovao avy eo anivon’ny Federasiona malagasin’ny Jiu-jitsu breziliana. Hisantarana ny taona ny fifaninanana Chess Battle (No-Gi sy Gi) izay karakarain’ ny klioban’ny Chekmat Mada­gascar, ny 15 marsa 2025. Tsy vao izao no nikarakara fifaninanana izany klioban’ny Chekmat izany ka hafana tanteraka io hetsika io. Manaraka izany, hiditra avy hatrany amin’ny Grand open de Madagascar (Gi) ny fandaharam-potoana, hatao ny 5 avrily 2025. Anisan’ny hijerena sahady ny mpikatroka mendrika ny fifaninanana toy izao, hahafahana mitily izay hiatrika fifaninanana iraisam-pirenena. Ny klioban’ny 101 Jiu-jitsu no mikarakara ity fifaninanana ity. Aorian’izay, hotontosaina ny 26 avrily 2025 ny Grappling Tournament (Gi), izay efa fanao isan-taona ihany koa. Ny klioban’ny JJB Attila no mikarakara izany. Ny 17 sy 18 mai kosa dia hisy ny fifaninanana “Lemur Cup” (No-Gi sy Gi) karakarain’ny klioban’ny Guerreros Team ary hamaranana ny enim-bolana voalohany ny fifaninanana Azure Clash (Gi), ny Akademia nasionalin’ny spaoro no mandray an-tanana ny fikarakarana.

Mi.Raz

Partager sur: