Manomboka misokatra amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny lafiny fitsarana lalao eto Madagasikara. Fantatra nandritra ny andron’ny mpitsara, ny faran’ny herinandro teo, fa lasa mpitsara iraisam-pirenena ny Malagasy mpitsara, Ralaivao Soafara Eleana, i Léa. Izy no vehivavy malagasy voalohany niditra eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, ho an’ny fitsarana lalao. Raha eo amin’ny lehilahy kosa, i Tojo ihany hatreto no manana toerana eo amin’izay fitsarana lalao iraisam-pirenena izay, ho an’ny taranja basikety. Tsiahivina fa efa ela no nisehatra teo amin’ny tontolon’ny basikety ary Malagasy mpilalao basikety fahiny izy. Nambaran’i Léa fa tsy maintsy tanteraka ny tanjona rehefa mikiry sy manana finiavana ary tsy misy zavatra tsy ho tanteraka izany raha ilofosana. Nanentana ny mpitsara namany izy mba hanohy ny nofinofy ary hanatratra ny tanjona. Raha hiverenana ity andron’ny mpitsara ity, nisy ny fifaninanana nokarakarainy, nentina nanamarika io andro io. Nahazo mari-pankasitrahana avy amin’ny federasiona sy ny CCA (Commission centrale des arbitres) avokoa ireo rehetra nandray anjara tamin’ny fifampizarana sy fifaninanana, hanamarihina ny fidiran’izy ireo an-tsehatra amin’ny fampandrosoana ny fitsarana lalao eto Madagasikara.
Mi.Raz