Sehatrasa tsy manavaka ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza ka mitady vahaolana manakaiky ny tena mahomby ny BNGRC. Mampandray anjara ireo sehatra mbola misalasala ary manentana ireo marisarisa ao anatin’izany tontolo manodidina izany koa. Ny Antontan-kevitra mirakitra ny fifanarahana iraisam-pirenena andraisana ny azo tahafina mahakasika ny fampihenana ny tandindon-doza (2015-2030) sy ny Paikadim-pirenena amin’ny fitantanana ny tandindon-doza sy ny loza dia mametraka ny sehatra tsy miankina ho andry lehibe azo hiankinana sy afaka hanome tanana ny fanjakana sy ireo mpiara-miombon’antoka matihanina. Noho izany, nidina teny ifotony, tany Mahajanga, ny BNGRC namelona aina indray sy nanavao ny fahalalana misy eo anivon’ny mpisehatra rehetra voakasiky ny tantsoroka. Andrasana amin’ny fanomezan-tanan’ny sehatra tsy miankina ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza.
Misy ny vovonana itambaran’ny sehatra tsy miankina miasa sy misehatra amin’ny maha olona izay rafitra ifandrindran’izy ireo. An-jatony ireo orinasa mikambana ao anatin’izany vovonana izany ary miara-miasa akaiky amin’ny BNGRC.
Vonjy




