Rehefa mitondra vohoka ny vehivavy iray, mandritra ny fisafoana voalohany tanterahiny eny amin’ny tobim-pahasalamana, no hanaovana ny vaksiny hiarovana ny zaza vao teraka amin’ny tetanosy. Vaksiny dimy no atao, mielanelana, ary miaro mandritra ny 35 taona. Maimaimpoana ny fisitrahana izany eny amin’ny tobim-pahasalamana. Mety hiteraka fahafatesan’ny zaza vao teraka ny tetanosy.
Rehefa mikarakara mayonnaise ao an-trano, atody akoho vaovao tsy misy vaky no hanamboarana azy ary menaka tsy mandry no ampiasaina. Ora enina aorian’ny anaovana azy no ampiasaina ny mayonnaise ary 24 ora aty aoriana raha ampidirina anaty vata fampangatsiahana. Misoroka ny fanapoizinana avy amin’ny sakafo ny fanajana ny fenitra fikarakarana ara-pahasalamana.
Tamin’ity taona ity, 1 100 ny trangan’aretina mamany lava voadidy teny amin’ny hopitaly. Natao tany Manakara ny fizarana ny vokatry ny hetsika natao sy ny laminasa, ho an’ny taona 2025, miaraka amin’ny mpisehatra rehetra.