Aretina mateti-piseho amin’ izao fety izao ny aretin-kibo azo avy amin’ny sakafo. «Mivalana sy mandoa ny ankamaroan’ny olona voan’izany ary betsaka voa ny ankizy», hoy ny mpitsabo, Dr Rakotonindriana Norbert. Miova amin’ny mahazatra ny sakafo rehefa fety ka tampohiny ny vavony sy ny tsinay, antony mahatonga izany. Ankoatra izay, mety ho diso voky loatra ny olona satria mihinana izay lany tsy toy ny andavanandro. Anisan’ny miteraka aretina ho an’ny vavony sy ny tsinay izany.
Eo ihany koa ny fikarakarana sakafo tsy ara-dalàna. Amin’izao fotoana izao, mafana ny andro ary mora mivadika ny sakafo, toy ny mortadelle, ny totokena ary ny mayonnaise. “Ity farany izay mety tsy ho voafehy ny fikarakarana sy ny fitahirizana azy ka mahatonga aretin-kibo”, hoy ny mpitsabo. Nambarany hatrany fa miverina foana ny aretina azo avy amin’ny fampiasana mayonnaise rehefa fotoanan’ ny fety tahaka izao.
Fisotroana zava-pisotro mahamamo
Miteraka ady sy loza ary faharatrana ny fisotroana zava-pisotro mahamamo be loatra. Amin’ny ankapobeny, miafara amin’ny aretina, fidirana hopitaly, faharatrana ary fahafatesana mihitsy ny vokatry ny fisotroana zava-pisotro misy alikaola. Nihena ireo tranga ireo tamin’ny fankalazana ny fetin’ny Noely lasa teo, raha oharina tamin’ny taon-dasa, raha ny fanazavana hatrany, amin’ny maha fetim-pianakaviana azy. Nohamafiny hatrany fa ilaina ny fitandremana amin’ireo voalaza ireo mba hisorohana ny loza sy aretina haterany, amin’ ny fetin’ny faran’ny taona sy ny taom-baovao ho avy izao. “Ny tsara indrindra dia ny fahaizana mandanjalanja ny sakafo hohanina sy zava-pisotro misy alikaola”, hoy hatrany izy.
Mino