Mitarika, amin’ny fifaninanam-pirenena, eo amin’ny taranja rugby, vehivavy, sokajy D1 ny SCB Besarety. Taorian’ny andro faha-10 natao ny alahady 22 desambra teo, teny amin’ny Kianja Makis, tsy mbola resy mihitsy ry zareo. Nahazo isa 50 ary nahavita «essai» 95. Faharoa ny FTFA, manana isa 35, arahin’ny RCTS amin’ny isa 28. Fahefatra ny FTM raha fahadimy kosa ny 3FB ary farany ny Asut.
Hifarana anio, any Antsirabe, ny «Tournoi «Meilleurs contre les meilleurs», taranja baolina kitra, sokajy zandriny U15. Fifaninanana, hifanandrinan’ireo ivontoerana avy any Mahajanga, Toliara ary Antsirabe. Tsiahivina fa tafiditra ao anatin’ny tetikasa Talent Development Scheme (TDS) ity lalao ity, hitiliana ny fahaiza-manaon’ireo kilongakely ireo.
Tontosa ny 26 desambra teo ny hetsika “Man-Kalaza Echecs”, niarahana tamin’ny Maitre international, Razafindratsima Timothé, mpilalao Echecs. Teny amin’ny Dyve Garden Anosivavaka no nanatanterahina izany. Malagasy mpilalao Echecs maro no tonga naka traikefa sy nifaninana tamin’ny MI Timothé teny an-toerana. Ity hetsika ity koa no nanakatonana tanteraka ny taom-pikatrohana 2024, ho an’ny taranja Echecs.
Voahosotra ho tompondaka, nandritra ny “Challenge de Baobab”, taranja basikety, ny ekipan’ny BCB Boeny. Tompondaka lefitra ny ekipan’ny SBBC Boeny ary laharana fahatelo ny ekipan’ny BC Somava Antalaha. Fifaninanana natao ny herinandro lasa teo, tany Mahajanga. Voafidy ho mpilalao mendrika kosa, ny mpilalaon’ny BCB Boeny, Jaoravo Olivier Fabrice.