«chan 2025»: Resy fa tafakatra ny Barea de Madagascar

Hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ho an’ireo mpilalao tsy misy mpilaravinahitra, “Chan 2025”, indray ny Barea de Madagascar. Na resin’i Eswatini teo amin’ny lalao miverina aza, nahazo ny tapakila hiatrehina izany i Madagasikara.

Taorian’ny taona 2022, hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika ho an’ireo mpilalao tsy misy mpilaravinahitra, «Chan 2025», indray ny Barea de Madagascar. Na resin’i Eswatini, tamin’ny isa tokana 1 no ho 0 aza izy ireo, omaly, nandritra ny lalao miverina natao tao amin’ny kianja Côte d’Or Maurice, nahazo ny tapakila hiatrehina ny “Chan 2025” ihany. Efa nandresy tamin’ny isa 2 no ho 0 mantsy ny Barea, teo amin’ny fihaonana mandroso natao tatsy Afrika Atsimo, ny herinandro lasa teo. Io tombon’isa io no nahazoan’ ny Malagasy ny tapakila hiatrehina izany.
Raha hiverenana ny lalaon’ny roa tonta, nanantombo teo amin’ny fanafihana sy ny baolina tokony ho faty ny Malagasy teo amin’ny fidirana voalohany saingy tsy hain’i Gregasse sy i Feno ny nampiditra izany tao anaty harato. Anisan’izany ny teo amin’ny minitra faha-28 raha tafavoaka i Christiano tany amin’ ny sisiny havia nandefa ny baolina tao anaty faritra tsy azo ivalozana, saingy nivoaka ny dakan’i Feno. Toraka izany koa ny an’i Gregasse, teo amin’ny minitra faha-35, saingy maivana ny dakany ka azon’ny mpiandry tsatoby. Nisy ihany koa ny fanafihana nataon’ny Eswatini tao anatin’ny fizaram-potoana voalohany kanefa voasakan’i Nina, Malagasy mpiandry tsatoby, ny baolina nodomin’ny mpanafika Eswatini. Taorian’io, nisy ny coup francs azon’i Eswatini hatrany. Voarain’i Tony tamin’ny tanany izany saingy tsy nitsoka pénalty ny mpitsara. Nentin’ny roa tonta niala sasatra io isa 0 no ho 0 io.

Niavaka i Nina

Fizaram-potoana faharoa, nanindry ary nanantombo ta­min’ny fanafihana ny Eswatini. Na izany aza, niavaka ny namoahan’i Nina ho Corner ny Coup francs nodakan’ny mpifanandrina, teo amin’ny minitra faha-58 sy ny teo amin’ny minitra faha-89. Baolina Corner teo amin’ny minitra faha-85 no matin’i Simelane Sambulo ho an’i Eswatini. “Misaotra ny mpilalao aho fa tena niady ry zalahy na teo aza ireo mpilalao vaovao tsy mbola ampy traikefa. Tombony ho anay ny fananana an’i Nina, tamin’ny fahaiza-manaony”, hoy i Rôrô, mpanazatra. Ny 1-28 febroary 2025, any Tanzanie sy Ouganda ary Kenya, no hanaovana ny dingana famaranana amin’ny “Chan 2025”.

Tompondaka

Partager sur: