“African Rally Championship 2025”: Tsy ao anatin’ny handray dingana i Madagasikara

Tsy mbola ao anatin’ireo firenena hampiantrano ny dingana amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, amin’ny familiana fiarakodia na “African Rally Championship (ARC 2025)” i Madagasikara. Firenena efatra aty Afrika ihany no hanaovana izany amin’ity.

Navoakan’ny filankevitra iraisam-pirenena Sport-automobile, eo anivon’ ny federasiona iraisam-pirenena (FIA) tany Kigali Rwanda, ny 11 desambra lasa teo, ny fandaharam-potoana ho an’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika na “African Rally Championship 2025” (ARC). Tsy ao anatin’ireo handray dingana i Madagasikara, amin’ io taom-pilalaovana io. Fire­nena efatra aty Afrika ihany no hampiantrano izany.
Hisantarana azy ny “Safari Rally Kenya”, hatao ny 20 – 23 marsa ho avy izao. Ny dingana faharoa, hotontosaina any Ouganda na ny “Pearl of Africa Uganda Rally”, hatao ny 9 – 11 mey. Hitohy amin’ny “Rally International de Burundi” izany, ny 15 – 17 aogositra. Hanakatona azy ny “Rwanda Moutain Gorilla Rally”, ny 12 – 14 septambra 2025. Tsiahivina fa nandray izany i Madagasikara, ny taona 2011 – 2016. Noho ny fahasarotana eo amin’ny fandehanan’ireo mpanamory mihazo an’i Madagasikara, tsy maintsy mandefa ny fiarany amin’ny sambo na fiaramanidina, tsy mazoto intsony izy ireo ka antony tsy nandraisan’i Madagasikara izany intsony. Tsiahivina fa anisan’ireo nandray anjara tamin’ireo dingana tany Afrika ireo Malagasy mpanamory toa an’i Joda, nihazo tany Rwanda, sy Rakotofiringa Jimmy, filohan’ny Fede­ration sport-automobile malagasy (FSAM), nandrombaka ny tany Ouganda, ary i Freddy sy Mathieu.

Marihina fa nahatontosa ireo fifaninanana rehetra tamin’ity taom-pilalaovana 2024 ity ny FSAM. Hatao ny volana febroary 2025 ny fizarana ireo amboara rehetra ho an’ny mpandresy. Tsiahivina fa Andrianjafy Mathieu, mpanamory ny klioba ASACM no voahosotra ho tompondakan’i Madagasikara tamin’ ity. Ny volana marsa kosa ny fivoriambe ara-potoan’ny FSAM.

Torcelin

Partager sur: