Ny vola, hono, no hozatry ny fiainana. Marina tsy hiadian-kevitra izany fa amin’izao fotoana izao izay rehetra atao mila vola avokoa. Eny fa na ny miresaka fotsiny aza, dia efa resa-bola. Rehefa tsy misy ny vola hilaozan’ny olona fa mandany fotoana azy fotsiny. Izany tokoa ny hoe: ny mitafa tsy misy vola resa-poana. Toy izany koa ny fanatanjahantena. Tsy misy manao izany amin’ny fo sy fitiavana tahaka ireo atleta sy mpanazatra fahiny intsony. Tany aloha be tany tokoa mantsy, miezaka aloha vao mitaky vola, fa ankehitriny, vola aloha vao manao ezaka satria ny mitafa tsy misy vola resa-poana.
Voabaikon’ny vola avokoa ny sehatry ny fanatanjahantena rehetra. Raha misy fifaninanana, manontany ny tontalim-bola horaisina vao mandray anjara. Raha maivana no ho azo, manao alasafay izy ireo ka mandresy tsara, tsy mandresy fanalana azy, satria ny mitafa tsy misy vola resa-poana.
Tokony ho tsaroan’ny rehetra fa ny mahihitra amin’ny kely, maty antoka amin’ny be ary ny kamo no sasatra, ny mahihitra no lany be. Tsy mahafoy ny tapany ka mamoy ny erany. Ny mahay manan-droa fa raha tsy mahay votso-droa. Raha mahay fianarana, raha tsy mahay feno arina. Raha mahay mahazo laza, fa raha tsy mahay mahazo loza.
Noho ny resa-bola, hadinon’ireo mpisehatra fa ny vary tsy fotsy tsy an-daona ary ny asa tsy efa tsy atao. Aleo aloha milofo fatratra, manatratra tanjona, vao misaina ilay hozatry ny fiainana. Hivalona ity ny taona, banjino ny hoavy, todiho ny lasa. Tandremo sao ho saro-mihetsika toy ny manam-boninahitra tsy manan-katao. Hiondrika tsy avelan’ny voninahitra, hitraka sakanan’ny tsy fananana satria ny mitafa tsy misy vola resa-poana.
Tompondaka