Feno 20 taona ny fikambanana Hoavign’Anôsy ary nikarakara ny « Festival Sambaraha » makotroka tao Taolagnaro. Fotoana nanehoana firaisankina sy fampandrosoana ny faritra.
Nandritra ny hefarana, tamin’ity faran’ny taona ity, no nanatanterahina ny “Festival Sambaraha” tao Taolagnaro. Andiany fahafito ny hetsika ary nifanindran-dalana tamin’ny fanamarihana ny faha-20 taonan’ny fikambanana Hoavign’Anôsy Miatriky, izay namorona ny hetsika rahateo.
Fikambanan’ireo mpianatra mandranto fianarana any ivelan’ny faritr’Anôsy ny Hoavign’Anosy. Misandrahaka amin’ny faritra rehetra ary hatrany ivelan’i Madagasikara, satria misy ireo zanak’ Anôsy milaravinahitra any.
Tanjon’ny hetsika ny hanamafy ny firaisankina sy ny fandraisan’anjaran’ny rehetra amin’ny fampandrosoana sy fanetsiketsehana ny tanànan’i Taolagnaro.
Sambaraha dia midika hoe mijery zavatra na mandalin-javatra. Tanjon’ny hetsika koa ny fanasongadinana ny faritra Anosy eo amin’ny sehatry ny kolontsaina, zavakanto, fanatanjahantena ary ny fizahantany sy ny taozavatra… Tafiditra ao anatin’ny hetsika avokoa izany. Manan-karena i Taolagnaro ary anjara birikin’ny fikambanana ny manasongadina izany amin’ny alalan’ny hetsika toy izao. Efa nanao hetsika ara-tsosialy maro ny fikambanana nandritra ny 20 taona niorenany.
Nanao antso avo amin’ny firaisankina ny fikambanana mba hahatontosa ny festival sy hampaharitra izany.
Ny federasiona tarihin’i Shabani Nourdine, izay solombavambahoaka voafidy tao Taolagnaro, no anisan’ny nanana andraikitra fototra tamin’ny fametrahana izany.
Ny festival koa dia notronin’ny mpiahy ny Sambaraha, Rakotovelomanantsoa Voahary, governoran’ny faritra Anosy. Nanamafy ramatoa governora fa zava-dehibe izao hetsika izao amin’ny fanandratana ireo kolontsaina ao amin’ny faritra sy hampandroso ny fizahantany.
Tatiana A