Samy maniry ny hahitan’ny mpanao fanatanjahantena fahombiazana avokoa ny rehetra amin’ity taona 2025 ity. Ireto misy mpitantana sy atleta vitsivitsy mirary soa ho an’ny taona vaovao.
-Ny filohan’ny Federasiona malagasin’ny kick boxing, ny jeneraly Lylyson René De Rolland, dia faly miarahaba ireo mpanao fanatanjahantena rehetra izay namiratra sy nitondra avo ny fanevan’i Madagasikara tamin’iny taona 2024 iny. Manantena vokatra ho tsara kokoa ny amin’ity taona vaovao 2025 ity.
-Maniry taona 2025 feno fahombiazana sy fandrosoana ho an’ny atleta ary enga anie isaky ny fiofanana dia ho akaiky kokoa ny tanjona ary hitranga ny hery sy ny fahasahiana handresy ny sakana. Ny fahasalamana sy ny fialantsasatra no ho mpiara-miasa mandritra ny taona.
-Miarahaba antsika rehetra nahatratra ny taona 2025. Ho taona zina feno fahombiazana ho antsika anie ity taona ity. Ho taona feno fahombiazana ho an’ireo atleta malagasy ihany koa hahazoana vokatra tsara hatrany. Andriamanitra anie hamafy soa ho antsika rehetra.
-Mirary fety sambatra ho an’ny Malagasy rehetra. Mirary ihany koa fahombiazana ho an’ny Malagasy mpanao fanatanjahantena tsy ankanavaka. Mirary ny soa rehetra hiatrehana ity taona 2025 ity ary samy ho tahian’Andriamanitra isika rehetra.