Notanterahina tao amin’ny EPP Ihosy, ny sabotsy 28 desambra lasa teo, ny fivoriambe ara-potoanan’ny ligy atletisma Ihorombe. Niatrika izany ireo klioba 6 amin’ireo 8 ao anatin’ny seksiona Ihorombe. Nanatrika ny fotoana ny tale mpisolo toerana ao amin’ny DRJS Ihorombe, Tsilihy Raherivelo David, sy,Andriamirija Yannick, tomponandraiki-paritry ny fanatanjahantena an-tsekoly. Taorian’ny tatitra ara-bola sy teknika nataon’ny komity mpitantana, nahazo fankatoavana, «quitus», 100 isan-jato izy ireo.
Afapo tamin’ny vokatra azon’ireo atleta niatrika fifaninanam-pirenena ny filohan’ny ligin’Ihorombe, Ravelomanantsoa Brillant Fabrice, izay nahazo medaly volamena 3 teo amin’ny sokajy zandriny ary 2 ho an’ny zokiny. Tanjona amin’ity taona 2025 ity ny hamerina ny fampandehanana ny seksiona ao Ivohibe, izay tsy nahavita fifaninanana, sy ny fananganana ny any Iakora. Ankoatra izay, nisy ny fifaninanana nanakatonana ny taona dia ny 15 km ho an’ny daholobe. Voalohany teo amin’ny lehilahy, Rafitiavanjatovo Thyride Elysé, avy amin’ny klioba ASCIM Ihosy. Nomenjanahary Anjarasoa Francia, atletan’ny AS THI, teo amin’ny vehivavy. Hisokatra ny 22 janoary ny taom-pilalaovana ho an’ny ligin’Ihosy ka hisantarana izany ny “cross de cohésion” sy ny “relais pédestre mixte inter-établissement».
Torcelin