Sahi Mpanasoa : Manamafy ny fiatrehana ny voina ateraky ny haintany

Tafiditra amin’ny tetikasa Avotse, anatin’ny asa hitsinjovana sy hanenana ny voina mety hateraky ny haintany amin’ny faritra Atsimo ny fanadihadiana ny faharefoana.

Mampitondra faisana ireo mponina amin’ny tapany Atsimon’i Ma­da­gasikara ny haintany. Ma­nao tantsoroka ifotony ny ekipan’ny Sahi Mpanasoa, entina hanamafisana ny fahaiza-manao sy ny fiatrehana ireo voina izay mety hateraky ny haintany. Kaominina efatra, ao amin’ny distrikan’i Beloha, faritra Androy, no iasan’ny Sahi Mpanasoa. Nisy ny atrikasa fanadihadiana ny faharefoana sy ny fahafahana miatrika nohatsaraina (EVCA). No­tanterahina tao amin’ny kaominina Ambatotsivala, misy mponina 3 647, sy tao amin’ny kaominina Tranoroa, ahitana mponina 24 611 izany, tao anatin’ny roa herinandro.
Hita taratra nandritra ny atrikasa fa anisan’ny olana fototra niteraka fahavoazana betsaka teo amin’ireo mponina ny tsy fahampian’ny rotsakorana. Miteraka fiantraikany ratsy amin’ny asa fiveloman’izy ireo izay mifototra betsaka amin’ny fambolena sy fiompiana izany. Miseho amin’ny endrika maro ny faharefoan’ny mponina ary miantraika amin’ny fahasalamana, ny tsy fanjarian-tsakafo, ny tsy fahampian’ny vokatra, ny lafiny fampitaovana, ny fampianarana.
Nahafahana nahita ny fahafaha-manao ananan’izy ireo eo an-toerana, hoentina miatrika ny fahavoazana ihany koa. Ho fanamby anatin’ny dimy taona ho avy ny atrikasa.
Nifarimbona tamin’ny hetsika ny tomponandraikitry ny faritra Androy, ny BNGRC, ny Sampandraharaha famatarana ny toetr’andro, ny distrika sy kaominina rehetra ao Belo tamin’ny fifanomezan-tanana sy ny fiaraha-miasa. Vatsian’ ny Vondrona eoropeana vola ary iarahan’ny Humanité inclusion, ny ACF, Sahi Mpanasoa, WHH Madagascar manatontosa izany.

Vonjy

Partager sur: