Fomba iray azo hanalana ny tavy eo amin’ny faritra iray na maromaro amin’ny vatan’ny olona ny « liposuccion ». Efa misy ny Malagasy misafidy ny hanao azy eto Antananarivo.
Ny tavy eo anelanelan’ny hoditra sy ny nofo (muscle) no esorina amin’ny alalan’ny fandidiana. Lavahana kely eo amin’ny faritry ny tavy miangona hampidirana ny fitaovana fitrohana azy, araka ny fanazavan’ny mpitsabo mpandidy iray. Tsy maintsy manao fizaham-pahasalamana mialoha eny amin’ny mpitsabo ireo liana hanao ity fandidiana ity. Afaka hatao amin’ny olon-drehetra salama ny “luposuccion” ary tsy misafidy taona. Mety ho vita anatin’ny fandidiana indray mandeha ny fanesorana ny tavy, arakaraka ny habetsahan’ny faritra iasana. Kibo, lamosina, fe (culotte de cheval)… ny faritra matetika hanesorana ny fivangongoan’ny tavy amin’ny vatana. Tsy miverina intsony ny tavy amin’ny faritra niasana satria misy torohevitra omena ilay olona momba ny sakafo sy ny fampiasam-batana tokony harahiny tsy tapaka, satria ankoatra ny tavy hita maso, mety hiteraka aretina hafa ny hatavezana, toy ny fiakaran’ny tosidra sy ny diabeta.
Ilaina ny fampiasam-batana
Eto Madagasikara, azo ambara fa vitsy ny olona manana ity olana amin’ny hatavezana ity raha mihoatra amin’ny firenena hafa. Ny kaloria mihoatra amin’izay takian’ny vatana ilaina ho amin’ny asa sy ny fivelomany nefa tsy ampiasaina no mivadika ho tavy mivangongo. Noho izany, ilaina hatrany ny fampiasam-batana samihafa sy ny fandanjalanjana ny sakafo hohanina, isorohana ny fivangongoan’ny tavy amin’ny faritry ny vatana. Amin’ny ankapobeny, ny vehivavy no mora matavy kokoa noho ny “hormones” ary ireo feno 40 taona no ho miakatra no manatona ny ivontoeram-pitsaboana eto Antananarivo hanao “liposuccion”. Misy ireo teratany malagasy sy vahiny misafidy ity fomba ity hikoloana ny vatana. Toy ny fandidiana rehetra, mety hisy fahasarotana ny fanaovana ny “liposuccion” fa manaraka ny fenitra ara-pahasalamana ny fanatanterahana azy amin’ny fahadiovana sy ny lafiny rehetra.
Vonjy