Nanao fampahafantarana tao anaty tambajotran-tserasera ny sampandraharaha misahana ny rano sy ny fanadiovana ary ny fidiovana eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra fa tsy maintsy hanaovana filazana fahafatesana eny amin’ny Bureau municipal d’hygiène (BMH) Antananarivo avokoa ireo olona maty. Na teny amin’ny hopitaly na toeram-pitsaboana na tany an-tokantrano no maty ilay olona, ka ato anatin’ny kaominina, mialoha ny handevenana azy. Ireo fahafatesana miseho eny amin’ny boriborintany fahenina ihany no tsy voakasiky ny fanambarana, hoy ny fanazavana. Olona akaikin’ny maty no tokony hanao ny fanambarana fahafatesana ary mahafatantra tsara ny antony nahafaty azy.
Misy ny taratasy ilaina raha hanao fanambarana fahafatesana, raha maty tany an-trano ilay olona, karapanondron’ilay olona na kopia nahaterahany raha tsy manana karapanondro izy. Tokony hitondra karapanondro koa ilay olona manao fanambarana fahafatesana. Fanamarinam-ponenana amin’ny anaran’ilay maty ary misy filazana hoe fahafatesana. Entina koa ny taratasy avy amin’ny mpitsabo manamarina fa maty ilay olona miaraka amin’ny antony nahafaty azy. Ampiarahana amin’ilay taratasy ny fanamarinana ny taratasy nitsaboana azy rehetra nialoha ny nahafaty azy.
Raha teny amin’ny hopitaly kosa no maty ilay olona, azon’ny olona rehetra atao ny fanambarana fahafatesana fa entina ny taratasy nomen’ny tomponandraikitry ny hopitaly miaraka amin’ny karapanondron’ilay olona manao fanambarana.
Mahavoasazy ny tsy fanaovana fanambarana fahafatesana mialoha ny handevenana ilay maty.
Vonjy