Fihirana eny an-dalambe Tsy fialamboly fotsiny fa fivelomana

“Sady miala voly no mampifaly ireo eny an-dalambe no mitady vola”, hoy Randrianarisoa Léon Victor, anisan’ireo mpanao ity asa iray ity. “Saro­tra ary ilaina fanomanana goavana izy ity saingy fivelomana ka atao am-piniavana”, hoy ny nambarany.

Ankohonana anisan’ny mivelona amin’ny fihi­rana an-dalambe ry Randrianarisoa Léon Victor mianakavy. Eny Ankadikely Ilafy eny no misy azy ireo ary manenjika mihira aty an-dRenivohitra isan’andro. Eny amin’ireo tsena sy toerana be fitohananan’ny fiara toa an’ Analamahitsy, Andravoa­han­gy, Analakely, Mahama­sina, Marais Masay no hanaovan’izy ireo izany fihirana an-dalambe izany. Ireo faritra be olona sy be mpandalo no tena handehananay. Anisan’izany ny tsena sy ny lalana misy fitohanan’ny fifamoivoizana. « Mandeha kokoa ny tsena rehefa misy ny fitohanan’ny fiara », hoy Randrianarisoa Léon Victor, raim-pianakaviana mivelona amin’ny fihirana an-dalambe. Izy telo mianaka, izy mivady miaraka amin’ny zanany 16 taona no manatanteraka izany asa izany. Na­nom­boka ny taona 2017 izy ireo no nihira teny an-dalambe sy teny amin’ny tsena. « Avy any ambanivohitra izahay ary nivarotra no antonasanay tany. Tsy nety anefa ny tsena ka voatery niakatra teto an-dRenivohitra. Olona efa mpihira sy mpanao hiragasy no ni­vantananay ka izy ireo no nisintona sy nitarika anay hi­hira ary nahatonga anay amin’izao toerana izao», hoy Randrianarisoa Léon Victor. Araka ny nambaran’izy ireo, tsy dia nanahirana ny fidirana teo amin’ity asa ity, na dia nisy aza ny henatra sy ny tahotra madinidinika tany am-boalohany. Resy hoazy teny ihany izany rehetra izany rehefa nandeha ny fotoana. « Nisy ihany ny tahotra sy henatra kely tany am-boalohany saingy amin’ny maha asa fitadiavana sy famelomana vady aman-janaka azy no nanaovana ity asa ity ka lasa mandeha hoazy izy io taty aoriana », hoy R. Léon Victor.
Miainga ao an-trano amin’ ny 8 ora maraina, aorian’ny fiomanana samihafa. Manom­boka mihira amin’ny 10 ora. Miato kely amin’ny 12 ora sady misakafo. Miverina mihira indray amin’ny 2 ora tolakandro hatramin’ny 5ora, miampy fakana aina kely eny antsefatsefany eny.
Sahala amin’izay ny andavanandrom-piainan’ireto mpihira eny an-tsena sy an-dalambe ireto.
Amin’ny maha mpihira azy ireo, misy ny fanomanana sy fianarana hira ary fitaizana
feo. Araka ny nambaran-dRandrianarisoa Victor Léon, maro ny mpankafy saingy mbola sakana tsy ahafahan’izy ireo mampivelatra sy mi­trandraka ity asa fivelomany ity ny tsy fahampian’ny zavamaneno ampiasainy. Ampon­ga iray ihany aloha hatreto no ampiasainay fa ny feo no entina manaingo izany. Marihina fa ity fihirana eny an-tsena sy an-dalambe ity no miantoka ny fiveloman’izy ireo manontolo. Misy ihany koa ny maka ma­no­kana azy ireo hihira amina karazana fety sy fanentanana maro samihafa, ankoatra ny fihirana eny an-dalambe, ny hiram-pivavahana no tena mahavantana azy ireo.
Maro samihafa ny anton’
izany. Voalohany ny maha fivavahana azy ka tsy maintsy hiram-pivavahana no ataonay voalohany rehefa misantatra ny sehatra izahay. Faharoa, maro ny olona mpandalo mangataka hiram-pivavahana. Tany amboalohany, hiragasy sy vako-drazana no nataon’izy ireo fa noho izany antony faharoa izany dia lasa nifantoka kokoa tamin’ny hiram-pivavahana izy ireo.

« Ho mpihira matihanina… »

Anisan’ny zanaka manampy azy mivady, amin’ny famelomana ny tokantranon’izy ireo, amin’izany fihirana izany, ny zanany vavy 16 taona. Teo amin’ny faha-11 taonany izy no nanomboka nihira. Kilasy fahadimy izy no nijanona nianatra, noho ny fahasahiranan’ny ray aman-dreniny, ary nifantoka tanteraka tamin’izany fihirana izany, ary maniry ny hitrandraka sy hanohy izany hatrany. Araka ny nambarany, fanampina asa no hotadiaviny rehefa ampy taona izy fa ity fihirana ity tsy hajanony intsony. Tsy kivy ary tsy menatra ity zazavavy ity manampy ny ray aman-dreniny manao izany asa izany, tao anatin’izay dimy taona izay. «Tombony maro no azoko amin’ny fanaovana ity. Ankoatra ny fanampiako ny ray aman-dreniko, eo koa ny fialana voly, ny fitrandrahako sy fanamafisako ny talentako eo amin’ny fihirana», hoy ity zazavavy mpihira eny an-dalambe ity. Vina sy tanjony ny ho mpahay kanto mpihira ara-pilazantsara.
Ankoatra izay, manana vina ny hanao asa madinika sy fiompiana ihany koa ireto ankohonana ireto. Tsy afaka hanatrarana izany vina izany anefa ny fidiram-bolan’izy ireo hatreto, noho ny adidy sy andraikitra. Izany rehetra izany no anaovan’izy ireo antso fanampiana amin’ny olona sy ny tomponandraikitra manandrify izany. Anisan’izany ireo mpitily sy mpitrandraka talenta. Eo ihany koa ny mpahay kanto mpihira izay afaka miaraka miasa amin’izy ireo.

 

Nanantontosa: Lin

Partager sur: