Hotanterahina ny volana febroary izao ny dingana farany amin’ny fifanintsanana hahazoana ny tapakila ho amin’ny “Afrobasket 2025”, sokajy Seniors. Malagasy mpilalao any ivelany maro no maneho ny fahavononany hanatevin-daharana.
Mbola tsy fantatra aloha hatreto izay firenena handray ity dingana farany amin’ny fifanintsanana basikety ity, saingy raha ny vaovao heno dia mety hatao eto Madagasikara ny an’ny vondrona D misy ny Malagasy, ahitana an’i Egypte, Centrafrique, Côte d’Ivoire ary i Madagasikara. Etsy ankilany, efa azo lazaina ho vonona ireo mpilaravinahitra hanatevin-daharana ny Ankoay, lehilahy, amin’io volana febroary ho avy io. Anisan’izany i Mathias M’Madi, mpilalao mendrika tamin’ny “Afrobasket U18”, ny taona 2022, no sady mpilalao nampidi-baolina betsaka indrindra tamin’ny fiadiana ny amboara maneran-tany U19, ny taona 2023. Raha tafiditra ao anatin’ny lisitra izy, dia voalohany ho azy ny hilalao eo amin’ny sokajy Seniors. Tsiahivina fa milalao any Espagne, ao amin’ny divisiona faharoa, i M’Madi amin’izao ary tsy niatrika ny dingana voalohany ny fifanintsanana izy tamin’ny taon-dasa. Manaraka izany, Rakotonanahary Donovan, izay milalao any Etazonia, amin’izao fotoana izao ary anisan’ny mpilalao mendrika ao amin’ny klioba misy azy. Eo ihany koa, Andriatsarafara Lova sy Heritiana Mickael izay milalao any Etazonia ihany koa ary efa samy nandray anjara tamin’ny “Afrobasket 2022” sy ny fiadiana ny amboara maneran-tany tany Debrecen Hongrie.
Ankoatra ireo, mpilalao tena ilaina ihany koa Rabibisoa Jerry Pépin amin’ity fifanintsanana ny “Afrobasket 2025” ity. I Jerry izay mpilalao tao amin’ny Cospn ary nandrafitra ny ekipa nasionalin’ny Ankoay U19. Milalao any ivelany ihany koa izy amin’izao ary vao haingana no nahazoana tatitra tsara fa anisan’ny mitondra fandresena ho an’ny ekipany hatrany. Etsy ankilany, mitovy amin’izay ihany koa Razanamahenintsoa Kiady Mijoro sy Raharimanantoanina Sitraka izay milalao ao amin’ny Pau-Lacq-Orthez ao Frantsa. Tsy adino ihany koa i Rija Lahontan izay efa zatra niaraka tamin’ny ekipa nasionaly malagasy hatramin’izay, indrindra tamin’ireny lalaon’ ny Nosy 2019 ireny izay tena nandravarava mihitsy.
Aorian’ny fivoriamben’ny Federasiona malagasin’ny basikety, izay hatao amin’ny tapaky ny volana janoary, no hahafantarana ny vaovao rehetra mahakasika ity fifanintsanana ity sy ny firenena handray izany.
Mi.Raz