Vina 2025: manana ny vinany ireo mpanao fanatanjahantena

Taom-pahombiazana no hirian’ny rehetra amin’ity taona 2025 ity. Misy ny vina sy tanjona ho an’ireto mpitantana sy atleta ireto hahazoana izay fahombiazana izay, toy ny fiatrehana ny fifaninanana iraisam-pirenena sy ny fanatsarana hatrany ny fifaninanana eto an-toerana.

-Ho laharana voalohany hatrany amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena rehetra hatrehako, eo amin’ny taranja Judo sy ny Jiu-jitsu breziliana no tanjoko amin’ity taona 2025 ity. Ankoatra izay, hitazona ny anaram-boninahitra maha tompon’ny sokajy Senior -78 kg ahy amin’ny fifaninanam-pirenena rehetra hoavy ary handrombaka medaly volamena hatrany.

-Ny fanomanana ireo taninketsa no tena vinan’ny Federasiona malagasin’ny dihy ara-panatanjahantena amin’ity taona 2025 ity. Hanomana azy ireo mba hanana ny haavo teknika hanatsarana ny fifaninanana nasionaly ary indrindra ho fiatrehana ny fifaninanana iraisam-pirenena eo anivon’ny ranomasimbe Indiana sy manerana izao tontolo izao.

-Tanjoko amin’ity taona 2025 ity ny handray anjara amin’ny fiadiana ny amboara maneran-tany, taranja kick boxing, hatao any Turquie, ny volana mey izao, ary indrindra ny hitondra avo ny voninahi-pirenena eo amin’ity taranja ity. Mba hahazo vokatra tsara hatrany sy hanatsara ny zava-bita hatramin’izay. Hiezaka ihany koa hahazo medaly amin’ny fifaninanana hatao eto an-toerana.

Mi Raz

Partager sur: