Feno 10 taona ny 9 janoary izao ny Sendika autonome eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra (SACUA). Ho fanamarihana izany, asiana famantaranora iray lehibe manoloana ny faritry ny Lapan’ny tanàna.
Betsaka ny zavatra efa natao sy ireo sedra nolalovan’ny fikambanana tao anatin’izay fotoana izay. Efa voavaly avokoa ny 80%-n’ ireo fangatahan’ny mpiasa amin’ny ankapobeny. Nahavita namaly ny zavatra notadiavin’ny mpiasa ny PDS amin’izao fotoana izao. Anisan’ izany, ny fanadiovana ny tanàna sy ny fanamboarana ny lalana ary ny fanasongadinana ireo mpiasa eo anivon’ny kaominina. Ao anatin’ny fangatahan’ny sendikan’ny mpiasa amin’ny mpitondra ny hanomezana fahefana feno ho an’ny PDS an’Antananarivo. Toy ny fanomezana alalana azy hanavao ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny mpiasa. « Tapitra tamin’ny desambra lasa teo ny fifanarahana arakasa ary efa tokony hohavaozina ho amin’ity volana ity izany mba tsy hisian’ny fahabangana », hoy ny filohan’ny sendikan’ny mpiasa, Jaona Clément Nirintsoa, omaly. Tsy mahavita ny asany ny mpiasa tsy salama sy noana. Noho izany, hanangana boati-parmasia lehibe iray ny sendikan’ny mpiasa. Sehatra iray hametrahana petra-bola manodidina ny efatra na dimy tapitrisa Ariary eo, izay hifanarahana amin’ny farmasia iray eto Antananarivo. Mba hahafahan’ny mpiasan’ny CUA maka fanafody maimaimpoana. Tanjona ny hahafana mikarakara sy hananan’ny mpiasa fahasalamana .
Ben’ny Tanàna mahay mitantana
Ho avy tsy ho ela ny ben’ ny Tanàna vaovao izay hitantana ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Fangatahan’ny sendikan’ny mpiasa amin’ny mpitantana vaovao ny hahavitany manome ny fotoany ho an’ny mponina eto Antananarivo. Mahavita mitantana ny fitaovana misy eo anivon’ny kaominina mba hahafahana mampandroso ny Renivohitra. Mahay mitantana ny volan’ny kaominina mba tsy hisian’ny fahataran’ny karaman’ny mpiasa.
Mino