Toetr’andro Ahina ny fiforonana andro ratsy

Namoaka ny vinan’ny toetry ny andro amin’ity herinandro ity ny mpamantatra ny toetry ny andro etsy Am­pan­drianomby. Nisongadina tamin’izany ny fampahafantarana fa heverina ny mety ho fiforonana andro ratsy any amin’ny morontsiraka avaratra atsinanan’ny Nosy. Any amin’ny faran’ny herinandro no heverina hiforonan’izany.
Arahin’ny Meteo Madaga­sikara hatrany ny fivoaran’ity faritr’andro ratsy ahina hiforona ity. Tombanana hisy fiatraikany amin’ny toetry ny andro any amin’ny tapany avaratry ny Nosy ny ampahan-drahona miaraka amin’ilay “Zone de Convergence Intertropicale na ZCIT.
Tombanana hitoetra kosa ny orana tandrifin-drahona mitsitokotoko any amin’ny faritra sisa indrindra ny ilany andrefana sy ny tapany atsimon’ny Nosy.
Heverina hisy orana tandrifin-drahona hatrany koa any Melaky, Menabe, ny atitanin’Atsimo Andrefana ary ny tapany avaratra andrefan’ny Nosy. Vinavinaina hiitatra amina toerana maro any atsimon’ny Nosy sy ny ilany andrefan’ny afovoantany izany amin’ny fisasahan’ny herinandro.
Hanorana ny andro any amin’ny tapany avaratry ny Nosy, ny sabotsy ho avy izao, izay mety hatevina indraindray ka mila mivonona amin’izany ny mponina. Ho maina amin’ny ankapobeny ny andro any amin’ny faritra sisa rehetra.
Hisongadina ny fidinan’ny maripana ambony saika manerana ny Nosy any amin’ny faran’ny herinandro, indrindra ny tapany avaratry ny Nosy. Mbola migaina tanteraka kosa ny andro ho an’ny afovoantany.

Tatiana A

Partager sur: