Banky foiben’i Madagasikara : nametra-pialana ny governora Rabarijohn Henri

Fantatra fa nametra-pia­lana, tsy ho governoran’ny Banky foiben’i Madagasikara (BCM) intsony, Rabarijohn Henri. Voatendry handimby azy Andrianarivelo Aivo Han­driatiana, izay navoakan’ny filankevitry ny minisitra, omaly, ny fanendrena azy.
Tsy fantatra mazava ny anton’izao fametraham-pialany izao, fa raha ny zava-nitranga faramparany tamin’
iny taona 2022 iny, teo mikasika ny fandoavana ny karaman’ny mpiasam-panjakana, volana desambra. Taty aoriana, misy koa ny fanapahan-kevitry ny fanjakana, amin’ny alalan’ny Tahirimbolam-panjakana hisambo-bola amin’ny olon-tsotra na ny mpandraharaha, antsoina hoe «Bon de Trésor par adjudication» (BTA). Marihina fa efa fanaon’ny fanjakana hatramin’izay ity fepetra ity.
Voatendry ny 6 novambra 2019 ny governora teo aloha, Rabarijohn Henri ary nanao ny fianianany teny amin’ny Fitsarana tampony, ny 15 novambra 2019. Niasa roa taona, ho adminisitratera tao amin’ny Tahirimbola iraisam-pirenena, kosa Andrianarivelo Aivo, ary tapitra tamin’ny oktobra 2022 ny fe-potoam-piasany.

Njaka A.

Partager sur: