Fiatrehana ny fahavaratra: nidina an-kianja ny tomponandraikitry ny Apipa

Anaty vanim-potoan’ny fahavaratra isika, mihetsika ny herivelona rehetra handrindrana ny fiatrehana ny orana sy ny fotodrafitrasa manodidina. Omaly, nijery ireo olana ma­nakana ny fikorianan’ny rano teny amin’ireo faritra maromaro teto an-dRenivohitra ny filohan’ny delegasionina manokan’ny tanànan’Antananarivo , i Alexandre Georget, sy ny mpi­­ara-miasa aminy, ny tale jeneralin’ny Apipa ary ny avy eo anivon’ny minisiteran’ny Fanajariana ny tany sy ny fananantany.
Tsikaritra, tamin’izany, ny fi­siana fanorenana tsy ara-dalàna teny Ankasina, izay manelingelina ny fikorianan’ny rano, indrindra rehefa fotoan’ny ora­na. Teo koa ny tokony hanalana ireo tsikafona sy fotaka manentsina ny Marais Masay.
“Hanomboka tsy ho ela ny fanadiovana sy ny fikaofana ny fotaka eny Marais Masay”, hoy ny tomponandraikitra. Ia­rahana amin’ ny CUA, ny Api­pa ary ny minisitera ny fanatanterahana izany.
Iandrasana vahaolana ihany koa ireo fanorenana tsy ara-dalàna izay miitatra tsikelikely ary miha mafy orina anaty fotoana fohy kanefa loza mitatao ho an’ny lakandrano ary lasa fokontany kely iray mihi­tsy rehefa ela ny ela.
Samy mandray ny andraikitra tandrify azy ny rehetra manoloana ny fiatrehana ny fahavaratra ary ilaina ny fifanentanana eny ifotony hirindran’ny fiaraha-mientana.

Tatiana A

Partager sur: