Dr. Steven Michael Goodman: namoaka boky momba an’i Madagasikara

Nampahafantarina ireo mpiara-miasa tetsy amin’ny masoivoho amerikanina, omaly, ny boky manasongadina ny harena voajanaharin’i Madagasikara. Boky nosoratan’ny Dr. Steven Michael Goodman, nanao fikarohana momba ny rohivoahary tsy manam-paharoa an’i Madagasikara sy ny fiarovana izany tao anatin’ny 30 taona izy ity.
Voafidy ho anisan’ny mpikambana ao amin’ny Akademia iraisam-pirenena momba ny Siansa na The World Academy of Sciences (TWAS), rafitra iraisam-pirenena kalaza manasongadina sy mankasitraka ireo asa miavaka miompana amin’ny siansa maneran-tany ny Dr Steven Michael Goodman. Na­nambara ny masoivoho amerikanina, i Pierangelo Claire, fa tena harena ho an’ny firenentsika roa tonta ny Dr. Goodman.
Manan-karena harena voajanahary i Madagasikara ary ma­naporofo izany ny fikarohana natao. Mbola vitsy anefa ny Ma­lagasy misitraka ny fankafizana izany. Ao koa ireo tsy mbola mahatakatra ny maha sarobidy izany harena voajanahary izany ka manimbazimba na mamotika tsy ampiheverana azy ireny.

Tatiana A

Partager sur: