Nitrangana lozam-pifamoivoizana iray tao amin’ny lalam-pirenena faha-25, omaly tamin’ny 12 ora alina. Miisa sivy ireo olona tao anatin’ny fiara, tsy nisy ny naratra ary tsy nisy ny namoy ny ainy. Niseho teo amin’ny PK 159+600m, eo amin’ny fokontany Manakana, kaominina Tsarafahatra, distrikan’i Mananjary ny loza. “Tratran’ny torimaso fotsy ny mpamily ka nahatonga ny loza”, hoy ny eo anivon’ny zandary ao an-toerana. Fiara fitateram-bahoaka avy any Fianarantsoa handeha ho any Mananjary izy ity, raha ny tatitra voaray hatrany. Nahitana fahasimbana ny fiara. Anisan’ny mahatonga ny lozam-pifamoivoizana ny tsy fahampian-torimaso sy ny havizanana ary ny fandraisana zava-mahadomelina eo amin’ny mpamily. Manoloana izany, efa manao ezaka ny mpitandro filaminana misava ny taratasin’ny fiara sy ny mpamily, indrindra ireo fiara mpitatitra olona.
Mino ( Mpianatra asa)