Nanao tatitry ny asa vita ny minisiteran’ny Mponina nandritra ny filankevitry ny minisitra ny alarobia teo. Laharam-pahamehan’ny fanjakana ny fiahiana ny maha olona ka anisan’ny minisitera manana andraikitra goavana ity minisitera ity.
Manodidina ny 900 000 ireo tokantrano misitraka ny “Tsimbina” ary mbola mitohy ny fizarana izany. Manodidina ny 200 000 no mahazo izany eto Antananarivo sy ny manodidina. Fandefasana vola isan-tokantrano indroa miantaona ny “Tsimbina”. 100 000 Ar ny andiany voalohany ary 150 000 Ar ny andiany faharoa. Niatrehina ny fidiran’ny mpianatra ary hiatrehina ny fahasahiranana amin’izao fotoana ny vola.
Famatsiam-bola mitentina 50 tapitrisa dolara ny andiany voalohany ary niampy 10 tapitrisa ny faharoa ho an’ity tetikasa ity. Nahafahana nanohana ara-bola ireo tokantrano marefo miisa 1 tapitrisa amin’ireo 120 distrika izany.
Teo ihany koa ny tetikasa “Haraton’aina”, “Vatsin’ ankohonana” sy “Asa avotra mirindra” nanomboka ny 2019 hatramin’izao. Mahakasika 2 tapitrisa tokantrano amin’ny faritra 22 miatrika fanofanana sy manatsara tetikasa fambolena sy fiompiana io tetikasa io.
Ankoatra ireo, ny “Mifampitsimbina” sy “Tsinjo Noely” nanampy tokantrano maherin’ny 160 000 .
Tatiana A