Rivodoza: Dikeledy Hiditra any avaratry ny Nosy, rahampitso

Tombanana hiditra an-tanety any amin’ny tapany avaratra atsinanan’ny Nosy ilay rivodoza Dikeledi, rahampitso tolakandro na alina, raha ny vinavinan’ny mpamantatra ny toetry ny andro etsy Ampandrianomby.
Heverina ho rivodoza mahery mihitsy izy amin’izay fotoana izay satria hahatratra 130km isan’ora ny rivotra hiaraka aminy.
Mihatra ny filazana loza miloka maitso ho an’ny faritra Diana, Sava, Ambatosoa, Sofia ary Boeny.
Omaly maraina, tany amin’ny 1 509 km atsinanan’i Antalaha no nisy ny foibeny. 75km/ora ny rivotra miaraka aminy any an-dranomasina ary mahatratra 105km/ora ny tafiotra manakaiky ny foibeny.
Mikisaka miankandrefana hatrany ny diany ka mahafaka 31km/ora.
Miha sarotra ny fifamoivoizana an-dranomasina ary ahina ny faharendrehana, ny fikorontanan’ny asa aman-draharaha andavanandro…. mandritra ny fihavian’ny loza ka mila mailo ireo mpampiasa ranomasina rehetra.

Tatiana A

Partager sur: