Lehilahy maty vokatry ny fifampikasihan-tanana nateraky ny ady tany ary efatra naratra tao Kianjamiarina, kaominina Tsinjoarivo, afakomaly. Fianakaviana roa samihafa ity nitrangana fifanolanana momba ny lova ity. Nanomboka tamin’ny taona 2022 izy ireo no nifanditra teny anivon’ny fitsarana. Nahazo rariny ny andaniny saingy tsy nanaiky ka nanenjana ny ankilany. Nifandrihoriho hatrany ny raharaha. Nihenjan-droa ny tady ka niafara tamin’ny fifamaliana izany. Tsy nahafehy ny hatezerena ny iray tamin’ireo mpifanolana ireo ka raikitra ny fifampikasihan-tanana. Vokany, naratra mafy ny lehilahy iray. Tsy tana ny ainy noho ny fahaverezan-dra be loatra. Tsy nanaiky, namaly ka nidaroka ireo olona avy tamin’ny fianakavian’ilay nahafaty olona ny ankilany. Olona efatra hafa naratra. Niditra an-tsehatra nandamina ny raharaha ny zandarimaria miasa anivon’ny tobim-paritra Kiranomena. Nentina eny anivon’ny hopitaly Tsiroanomandidy ireo naratra. Niverina amin’ny laoniny ny fandriam-pahalemana ao an-toerana. Hiroso amin’ny fanadihadiana sy fisamborana ny tompon’antoka tamin’ny vono olona ny zandary.
Tsiferana R.