Mpilatsaka an-tsitrapo mavitrika manampy eny anivon’ny fiarahamonina rehefa misy tranga mila vonjy voina na anaovana tanamaro ny skoto. Ahitana azy ireo ny fanampiana rehefa misy traboina vokatry ny rivodoza amin’izao fotoan’ny fahavaratra izao. Maro amin’ireo Tily no mpirotsaka an-tsitrapo amin’ny fanampiana rehefa tonga ireny loza ireny. Antom-pisian’izy ireo rahateo izany.
Nanome toromarika ny tomponandraikitra fa rehefa mirotsaka an-tsitrapo eny amin’ny fiarahamonina, tokony hampahafantra ny tomponandraikitra (Mpiandraikitra, Filoha) any amin’ny sehatra misy. Manaraka tsara ireo fandaminana avy amin’ny ambaratongan-drafitra rehetra toa ny BNGRC , mpitandro filaminana, sns.
Mila manaraka ireo fiofanana amin’izay zavatra hatao. Misy ny Talenta iraisam-pirenena Mpiatrika loza voajanahary ahafahan’ise miomana hita any amin’ny tranokala manokana.
Tatiana A