Hiditra an-tanety anio alina, ilay rivodoza mahery Dikeledi

Mizotra manatona an’i Madagasikara ilay rivodoza mahery Dikeledi. Any amin’ny faritra avaratra no tena hiantefany ka mila miomana amin’izany ny mponina. Mihatra ny filazana loza manambana.

Miha manatona tsikelikely ny morontsiraka avaratr’i Mada­ga­sikara ilay rivodoza Dikeledi. Tombanana hiditra an-tanety any amin’ny tapany avaratra atsinanan’ny Nosy, eo anelanelan’i Antsiranana sy Sambava izy, anio alina.
Mety ho rivodoza mahery izy amin’izay fotoana izay satria mahatratra 140 km/ora ny rivotra hiaraka aminy. Ahina ny tondradrano, ny fiakaran’ny renirano sy ny fihotsahan’ny tany amin’ny tapany avaratra manontolo vokatry ny rotsakorana betsaka (mihoatra ny 100 mm/24ora), mandritra ny fandalovan’i Dikeledi. Ahina ihany koa ny fiakaran’ny ranomasina noho ny alondrano mety hihoatra ny 7 metatra.
Mihatra nanomboka omaly ny filazana loza manambana miloko mavo ho an’ny faritra Diana sy Sava. Filazana fanairana miloko maitso kosa ho an’ny faritra Ambatosoa, Sofia ary Boeny.
Ireo mpampiasa ranomasina eo anelanelan’ny Cap d’Ambre sy Vatomandry dia tokony hotafaverina an-tanety avokoa fa tsy miandriaka intsony, manomboka anio. Toy izany ihany koa ny eo anelanelan’ny Cap d’Ambre sy Besalampy, manomboka rahampitso atoandro.
Omaly tamin’ny 9 ora maraina dia tany amin’ny 851 km atsinanan’i Sambava no nisy ny foiben’ity rivodoza Dikeledi ity. 90 km/ora ny rivotra miaraka aminy, arahina tafiotra 125 km/ora manakaiky ny foibeny. Mikisaka miankandrefana izy ka nahafaka 28 km/ora.
Ireo faritra mahazo ny filazana loko mavo dia tokony hampiakatra an-tanety ny lakana, baka ary manomana tahirin-tsakafo avy hatrany. Afindra amin’ny toerana azo antoka ny biby fiompy. Arovana tsara ireo taratasy saro-pady ary atao amin’ny toerana azo antoka…1 na 2 andro mialohan’ny handalovan’ny rivodoza dia efa mivonona tsara mba tsy hotapohin-doza.

Tatiana A

Partager sur: