« Efa isan’andro izao fanafihana sesilany izao no miseho eto, famoizan’aina, fahaverezana fananan’ olona, faharatrana mahazo ny mpiara-belona. Lany fanahy mbola velona ny eto Toamasina », hoy ireo nanatri-maso ny fanafihana mitam-piadiana tetsy amin’ ny Cité Valpinson, parisela 11/76, tsy lavitry ny paositry ny polisin’ny Fip, etsy Ankirihiry, omaly tolakandro.
Nitrangana fanafihana mitam-piadiana nahavoaroba lelavola 12 tapitrisa Ar tetsy amin’ny Cité Valpison. Fianakaviana vao avy naka vola tany amin’ny banky iray ao Toamasina, nandray Bajaj fa handeha hividy kodiarana tetsy amin’ny tranombarotra Cité Valpinson no lasibatra. Rehefa tonga teo, nivoaka aloha ilay raim-pianakaviana sy ny namany, niditra tao amin’ ilay tranombarotra, raha nijanona tao anatin’ilay Bajaj ilay renim-pianakaviana nitondra sy mihazona ilay poketra misy ny vola vao nalaina. « Tsy tapitapitr’izay, lehilahy roa nibahana teo haviako sy havanana, ny iray manambana basy, ny faharoa antsy ary samy milaza hoe: aiza ilay vola teo? Nosintonin’izy ireo ny poketra ary avy eo nitsoaka tamin’ny moto Cygnus ireo roa lahy”, hoy ilay renim-pianakaviana niharan’ny fandrobana sy fanambanana basy. Tsy nisy kosa ny basy nipoaka na olona naratra. Vokany, na efa manao sesilany isan’andro aza ny fanafihana mitam-piadiana ao an-drenivohitr’i Betsimisaraka, tsy hita marina izay vokatry ny asan’ny mpitandro filaminana.
4 tapitrisa Ariary koa voaroba tetsy Morafeno
Renim-pianakaviana iray nametraka fitoriana etsy amin’ ny polisin’ny Fip Ankirihiry, ny alatsinainy 13 janoary maraina teo, raha ny fanazavana voaray avy eo anivon’ny polisin’ny Fip. Renim-pianakaviana iray mpitambolan’antokom-pivavahana zandriny iray tonga nametraka fitoriana. Niantso ahy matetika ny pastoranay fa mila aterina any aminy ilay vola 4 tapitrisa Ariary. Vokany nivoaka ny tokantrano aho hanatitra ilay vola, ka nandray posy ary rehefa teny an-dalana dia norombahin’ny jiolahy ka lasany ny vola saika haterina tany amin’ny pastora”, hoy ilay renim-pianakaviana. Nohamafisin’ ity farany anefa fa tsy niantso azy hatramin’ny tolakandron’ny alatsinainy intsony ilay pastora. Manahy, araka izany, ilay ramatoa amin’ny mety ho olona nirahin’ilay pastora no nadroba azy.
Fahafatesana sy faharatran’ny mpianatry ny Oniversite barikadimy
Niantso mpanao gazety, ny tolakandron’ny talata teo, tetsy amin’ny Cite Valpison, misy ny vatana mangatsiakan-dRazafindravelo Toto Emilien, 27 taona, mpianatra tao Barikadimy, taona fahefatra amin’ ny sampam-piofanana Filozofia, ny fianakaviamben’ny zanaky ny faritra Ambatosoa sy ny distrikan’i Maroantsetra ary ny fikambanan’ny mpianatra avy ao Maroantsetra. Ity mpianatra ity izay matin’ny balan’ny jiolahy, ny alatsinainy teo, tetsy Andranomadio. Nambaran’izy ireo nandritra izany fa tsy jiolahy ny zanak’izy ireo. “Tonga hianatra fa tsy tonga hanao asan-dahalo ny zanakay”, hoy izy ireo. Nijoro vavolombelona mihitsy i Marson Joseph fa izy no niantso ireo roa lahy ireo ny alatsinainy mba hahatongavana any aminy hiaraka hisakafo. Aorian’izay izy roa lahy, hanao fanamarinana dika mitovy karapanondro any amin’ny Lapan’ny tanàna. Antontan-taratasy ilaina amin’ny fikarakarana ny vatsim-pianarana. “Mampitandrina anareo izahay. Tsy vao sambany ny mpianatra ao Barikadimy no matimatin’ny tifitra sy adina samy mpianatra, nandefitra izahay hatramin’izay. Izao efa manana ny maty sy maratra, mbola tadiavinareo haiditra am-ponja ny maratra. Ho tompon’andraikitra amin’izay zava-mitranga ity mpandraharaha ity”, hoy Randrianarivelo Honorine, solontenan’ny ray aman-drenin’ny mpianatra amin’ny Oniversiten’ i Barikadimy avy ao Maroantsetra.
Jeneraly polisy misotro ronono
Amin’izay raharahan’ny mpianatra voatifitra izay hatrany, nanamafy ary nanao antso ho an’ny polisy mpanao fanadihadiana ity jeneraly anivon’ ny polisim-pirenena efa nisahana andraikitra maro teto Toamasina sy teo amin’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka ity. “Ianareo polisy hanao ny fanadihadiana,
ataovy lalina sy am-pandinihana tsara ny fanadihadianareo. Midina ifotony manao fikaroham-baovao amin’ny manodidina, toy izany koa ianareo mpisolovava andaniny sy ankilany”, hoy ity jeneraly nisolo tena ny faritra Ambatosoa ity. Hatreto, raha tsorina, mety hihenjan-droa ny tady eo amin’ ny polisim-pirenena sy ny fianakaviamben’ny faritra Amba-tosoa, andaniny ary ankilany ilay mpandraharaha voatafika nametraka fitoriana an’ireo maty sy naratra.
Sajo