Nanambara hamehana ara-pahasalamana, manoloana ny aretina Mpox na nendran-drajako, ny ao Sierre Léone, ny fiandohan’ny herinandro teo. Tranga roa no voatily ka nohamafisina ny fanaraha-maso ny sisintany ary nahetsika avokoa ny rafitra hifehy ny aretina, araka ny fanambaran’ny minisitry ny Fahasalamana any an-toerana, Austin Demby.
Ny 6 janoary lasa teo no voatily ny tranga voalohany ary voamarina koa ny seho faharoa.
Vonona ny rafitra ara-pahasalaman’ny firenena manoloana ny aretina Mpox satria efa nahazo traikefa tamin’ny fiparitahan’ny valanaretina Covid-19 sy ny aretina ebola farany teo. Nomahafisina ny fanaraha-maso ny sisintany sy ny fahazoana manao fitiliana miaraka amin’ny fanentanana faobe.
Tsimokaretina “orthopoxvirus” azo avy amin’ny biby ny nendran-drajako. Dimy andro ka hatramin’ny 21 andro ny fotoana iotrehany aorian’ny nidirany ao amin’ny vatan’olombelona. Aorian’izay vao miseho ny soritraretina. Ny taona 2024, nanambara ny OMS fa anatin’ny hamehana ara-pahasalamana iraisam-pirenena satria betsaka ny firenena nahitana tranga an’io aretina io.
Vonjy