Manohy ny fahombiazany hatrany ny Akomba de Madagascar, sokajy U14, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’ i Afrika Aostraly, taranja tenisy. Nahazo fandresena fanindroany ny Malagasy rehefa nandresy an’i Angola.
Nitohy omaly, tao amin’ny kianja Windhoek Namibie, ny andro faharoa hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika Aostraly, taranja tenisy isan-tarika, sokajy zandriny U14 sy 16, lahy sy vavy. Mitohy ny fahombiazana ho an’ny Akomba de Madagascar, U14, zazalahy. Nahazo fandresena faharoa ry zalahy, teo amin’izay andro faharoa izay.
Resiny tamin’ny isa 2 no ho 1, i Angola. Teo amin’ny lalao ho an’olon-tokana voalohany, resin-dRazafindrazaka Ny Avo, tamin’ny seta 2 no ho 0 (6/0 ; 6/0), i Marco Silva. Tsy niady mihitsy ny fihaonan’izy mirahalahy satria tsy nahazo na “jeu” iray aza ity mpifanandrina taminy ity. Toy ny nanao fanazarantena fotsiny Ny Avo, tamin’ity.
Teo amin’ny fihaonana faharoa, lavon’i Italo Tuluca, tamin’ny seta 2 (6/0; 6/2), Rakotondramboa Sebastien. Voatery niditra teo amin’ny lalao ho an’olon-droa nahalalana izay ho mpandresy. Teo no nanantombo ny Akomba, niarahan’ i Ny Avo sy i Sebastien. Lavon’izy mirahalahy tamin’ny seta 2 no ho 0 (6/4 ; 6/4), i Tuluca sy David Lemos. Niady ny fihaonana satria nifanenjehina ny “jeu” saingy ny hafetsifetsena sy hakingana teo amin’ny Malagasy mpilalao no naharesena ireo mpifanandrina.
Tsiahivina fa efa nandresy an’i Namibie, tamin’ny isa 2 no ho 1, ny Akomba, tamin’ny andro voalohany. Hitohy, anio, ny fifaninanana ka ny vehivavy, U16 sy ny lehilahy, U14 samy hidona amin’i Afrika Atsimo no hiady ny laharana voalohany fa efa samy tafita amin’ny manasa-dalana. Tsiahivina fa tsy afaka niatrika ny fifaninanana ny U14, vehivavy, noho ny tsy fahasalaman’ny mpilalao iray mandrafitra ny ekipa.
Tompondaka