Volana janoary: fotoanan’ny krizy ao an-tokantrano

Mandalo fotoan-tsarotra ny ankamaroan’ny tokantrano rehefa volana janoary. Lany nandritra ny fetin’ny krismasy sy ny faran’ny taona ny vola. Mivaro-pananana na midi-trosa ny ankohonana hahafahana mivelona. Maro ireo maka ny antsasa-karama amin’izao fisasahan’ny volana izao.
Fotoana fandraisan’ireo mpivarotra mpandray entana tonta etsy 67 Ha ireo kojakojan-tokantrano amidy mora ny volana janoary toy izao. Fa­hitalavitra, zavamaneno, seza sy latabatra, kojakojan-dakozia… Amidin’ny olona avokoa rehefa fotoan-tsarotra toy izao.
Mila vola ny olona ary amin’ny antsasa-bidy mihitsy no handraisana ny entana. Averina hamidy hakana tombony indray anefa izy ireny avy eo.
Ho an’ireo mpampindram-bola na mpampanjana-bola ihany koa, fotoana mampandeha ny bizina ny volana janoary. Latsaka anaty fahasahiranana ny ankamaroan’ny olona ka tonga mihazakazaka mitrosa. Misy zanany anefa izany rehefa hamerina azy. Misy fanamorana kosa satria averina tsikelikely. Tsy miditra banky akory fa ny samy eny amin’ny fiarahamonina no mifampitrosa.
Tsy maintsy aloa ny saram-pianarana, ny hofan-trano, ny vidin-jiro sy rano… Tsy maintsy misakafo ny an­kohonana ary ny adidy amin’ny fifampiarahabana tsy main­tsy hatao ka izany no mahalatsaka an-katerena ny ankamaroan’ny tokantrano rehefa volana janoary.

Tatiana A

Partager sur: