Fondation Pierre Fabre sy Fondation Mérieux: hanorina fakiolten’ny farmasia eny Ankatso

Manana fikasana hanorina ivontoeram-panofanana vaovao hisahana ny fianarana momba ny farmasia ny Fon­dation Pierre Fabre sy ny Fondation Mérieux. Hahaleo tena fa tsy hiankina amin’ny fakiolten’ny fianarana ho mpitsabo eny amin’ny Oniversiten’ Antananarivo izany. Tanjona ny hanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana ambony ka mangataka ny fanohanan’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa ny mpitantana izany fondation izany ho firosoana amin’ny fanatanterahana ny tetikasa. Mpiara-miasa nandritra ny taona maharitra ny telo tonta, hampivoarana ny fotodrafitrasa amin’ny fampianarana ambony eto Mada­gasikara. Nifototra tamin’ny dinidinika momba ny tetikasa fanorenana fotodrafitrasa vaovao ny fihaonana teo amin’ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony, Pr Salava Julien, sy ny talen’ny fandaharanasa ny fondation Pierre Fabre, So­lenne Barbe sy ny tomponandraikitry ny Fondation Mé­rieux, Rakotoarisoa Luciana, tamin’ity herinandro ity, teny Fiadanana.

Vonjy

Partager sur: