Telo ny mpanao gazety nisongadina tamin’ny fifaninanana nokarakarain’ny UNFPA eto Madagasikara amin’ny lohahevitra « Zo sy safidy ho an’ny rehetra » ho an’ny Prix du journalisme sur la population, la santé et les droits réproductifs, notanterahina ny taona 2024. Tanjona ny hanome lanja ny asan’ny mpanao gazety amin’ny fampiroboroboana ny fahasalamana sy ny zo mahakasika ny fananahana ara-pahasalamana sy ny ady amin’ny herisetra mifototra amin’ny mahalahy na mahavavy. 36 ny sanganasa nahitana ny sokajin’ny vokatra avy amin’ny haino-vaky-jery sy « en ligne » nifaninanana, telo no voafantina fa miavaka amin’ny fanadihadiana vita. «La planification familiale et le plaidoyer pour l’accès à une éducation sexuelle complète» ny lahatsoratra novokarin’i Nirina Lalao Claude Rakotomiarintsoa. Ny ady amin’ny herisetra kosa ny fandaharana amin’ny onjam-peo avy amin-dRakotondratsimba Vonona. Ary « la santé maternelle et le plaidoyer pour les femmes incarcérées » ny fanadihadiana an-tsoratra natolotr’Andriamifidy Tiana. Natolotra, omaly, teny amin’ny Foibe ho an’ny tanora teny Ankorondrano, ny loka ho azy telo mianadahy.
Samy mpikambana ao anatin’ny Tambajotran’ny mpanao gazety mampiroborobo ny fahasalamana sy ny tontolo iainana (Remapsen) misy aty Afrika izy telo mianadahy ireo. Nanomboka ny taona 2021 no nanana sampana eto Madagasikara ny Remapsen.
Vonjy